XENA & TEE

                                             Ny Alikanay sy ny tontolony

              Tel 034.01.117.99 / 032.45.332.90 / 033.14.239.46 / 033.02.622.81

                                                Ampatsakana / Itaosy

                                             Antananarivo Madagascar

                                                                        xena.amstaff@yahoo.com

                   

               

Ny alika

Ny coton de Tuléar

Firafiny

Toetrany

Fitaizana azy

Sakafony

Ny fahasalamany

Fitandremana tokony atao

FORUM


Raha hitanao fa misy diso ny fanazavana sasany omenay dia azafady mba alefaso aty aminay ny fanintsiana miaraka amin'ny porofo manamarina izany, mba hanatsarana ny site-tsika, fa hahitsinay farak'izay haingana izany mba tsy hanoroana vohona ny hafa, satria izahay dia tsy manam-pahaizana manokana momban'ny alika akory fa olona tia alika fotsiny ary te hifanakalo fahalalana aminao.

Misaotra tompoko

 

 Ao izahay no mitsabo sy manaramaso ny alikanay

 

 

NY TOETRANY

Ny coton de Tuléar dia alika faly lalandava, tia sangy sy haniany, tena tia olona sy mahay mifanaraka amin'ny karazan'alika hafa. Hainy tsara mihintsy ny mifanaraka amin'ny karazam-piainan'ny tompony, ary taizana ao an-trano no mahamety azy, mora ampifanarahana amin'ny haingon'entana ao an-trano izy rehefa madio, izay mihintsy angamba no antony niantsoana azy hoe "chien de salon". Tia ankizy tsy misy ohatran'izany ny Coton de Tuléar, ary tena tia milalao miraka amin'izy ireny! Kanefa na dia izany aza dia tsy maintsy arahi-maso akaiky foana ho fisorohana ny loza mety hitranga tampoka! Tena tia ny tompony sy mifikitra mafy amin'ny tananany ny Coton de Tuléar, hany ka tena mazoto mihintsy izy mampandre raha misy olona na biby hafahafa mitady hiditra ny tanana! izay no nahatonga ny malagasy nampiaraka ny fiompiana azy ireny amin'ny Berger allemand, satria ilay kely manaitra ary ilay lehibe no miaro!

Ankoatran'ireo dia ny mitsambikimbikina sy mandeha mitsangana no sangisangy tena tiany ary ny mihazakazaka! Mora ampianarina ny coton de Tuléar na dia indrainday aza dia somary mafimafy loha!

Tsy dia mila tokotany loatra ny coton de Tuléar, saingy kosa mila olona, tena mety ny ho an'ny olona tsy manana tokontany izy saingy kosa tsy mety ho an'ny trano tsy misy olona foana! Ny kilalao kosa no tena ialiny tokotany satria izy dia tia mihazakazaka, misambotsambotra (Freesbee, ...), tia milomano koa izy ireny raha nozarina hatramin'ny mbola kely, mahafinaritra azy koa ny manaraka ny tompony amin

Ny tsininy kely (raha azo atao hoe tsininy izany) dia, alika tena mihanta sy be dongy ary mora marary fo ny coton de Tuléar ka raha olona be menomenona, mpikapoka, mitoraka sy mandroaka alika ianao dia tsy mendrika ny hanana Coton de Tuléar, tadidio fa tsy kapoka ataonao azy no mety ahafaty azy fa ny aretim-po azony avy amin'izany! Tsy misy afa-tsy ny fitaizana azy dieny mbola kely ary ny fananana faharetana sy fandavan-tena ihany no fanafodin'ny fananana alika hendry tsara!

 

Eto manoratra ho anay